Fampidirana hira

Salama daholo, mety misy olona manam-paniriana ampiditra hira eto amin’ny blaogy na koa mety manana fanintsiana na toro-marika ho entina mampandroso. Izaho koa moa somary sahirana kely ato ato ka tsy dia afaka mamaly anareo haingana.

Faniriako hoe misy olona manome valiny ho anareo nefa tsy afaka atao « administrateur » daholo. Ka ny vaha-olona dia afaka soratanareo etsy ambany ilay izy dia ampiarahana amin’ny

  • tondrom-peo (ohatra: C: x32010).
  • Mba ahatonga an’ilay endrika ho voatazona refa mampiditra azy ianareo dia atao « preformatted » jereo eto ny fanaovana azy http://www.w3schools.com/tags/tag_pre.asp .

Raha toa ilay tab tsy manaraka ireo toro lalana etsy ambony dia tsy tonga dia afaka ampidirina ilay izy fa mbola mila ahitsy. Noho izany mbola mila fotoana malalaka ny manao azy.

Mazotoa daholo indray ary

19 réflexions sur “Fampidirana hira

  1. Ho an’ireo izay mitady « EMBONA SY HANINA » dia iny ary le izy.

    Embona sy hanina

    C Em F
    Embona sy hanina,
    G C
    Tsiahy mahafanina
    Am Dm7
    Ngoly ny fo mamelovelo,
    G C
    Madisadisan’alahelo.

    C Em F
    Ny havoana tazanina,
    G C
    Tsy hita ho dinganina
    Am Dm7
    Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
    G C
    Ny aina marary ny fo maratra.

    Am Dm
    Fa ny antsoko ny akony no mitampody
    G C
    Te hihiaka mafy anie aho fa tsy tody
    C7 F7 Bb
    Izay jerena toa manjavozavo
    Dm G C
    Rako-drahona sy vohitra avo.

    Am Dm
    Fa mahery sy masiaka ny onja
    G C
    Tsy lakana afaka hitondra
    C7 F7 Bb
    Ny maso no alefa maminany
    Dm G C
    Hibanjina anao any ho any.

    Alahelo sy toloko,

    rehefa injay tsaroko

    Fa noho ny hasomparan’ny tany ,

    Izaho aty ianao lavitra any

    Tsy azo hiadiana ny anjara,

    ‘zay ngamba no noheveriny ho tsara

    Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka

    Na dia mangidy mavesatra.

    Fa ny ahy dia fitia tena marina
    Na anaty onaona aza ho tafarina
    Na halevina mety mandifotra olona
    Hipetraka haniry hamololona.

    Ny hany hafatro dia ny hoe matokia

    Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia

    Ny halavirana sy ny taona
    Tsy hahasakana antsika tsy hihaona.

  2. Ramiaramila « mahaleo »

    B E
    Ialahy, ialahy ‘lay tsy matory

    A B
    Fa variana mieritreritra

    B E
    Ialahy, ialahy ‘lay mieritreritra

    A B
    Tsy mety mahita tory a !

    E(7) A(5) D(5) B
    Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana

    E(7) A(5) D(5) B
    Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony

    B E
    Ny omaly hitan’ialahy

    A B
    Ny androany eritreretina

    B E
    Ny androany hitan’ialahy

    A B
    Ny ampitso eritreretina !

    E(7) A(5) D(5) B
    Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina

    E(7) A(5) D(5) B
    Ny fiainana iainany manaraka an’iny a !

    E A D
    O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy

    G E
    Lohanao iny ô, dia voasarona tsara

    A D
    O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy

    G E
    Sainao iny ô, tsy voasarona kosa

    E A D
    Toa manahirana fa mivezivezy

    G E
    Ny fisainana ao anaty kaska

    E A D
    Tsy mahatombona ny fisainana

    G B
    Fa mitady lalana ivoahana !

    G
    Rehefa misy rotaka

    A
    Rehefa misy rotaka

    B D E
    Mila hikorontana ny loha !

    G A
    Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila

    B D E
    Ka miady saina satria …

    E(7) B(7) A(5) E
    Any lavitra any e, ny vady aman-janaka

    E G# B E B(7) A(5) E
    Mivaralila ny ankizy any an-tanana

    E B
    Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (bis)

    O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
    Rehefa manana azy ô, dia manjary sahisahy
    O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
    Iny basy iny ô, hitifiranao an’iza ?

    Toa manahirana ny mandinika an’izany
    Toa manahirana ny mamaly an’izany
    Fa ny miaramila ho’aho mpanatanteraka ny baiko
    Hatraiza moa ny fetra hanarahany an’izany ?

    Rehefa misy rotaka (bis)
    Mila hikorontana ny loha !
    Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
    Ka miady saina satria …

    Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
    Mivaralila ny ankizy any an-tanana
    Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana (3)

      1. Mahafinaritra ‘lay finiavana izara sy ampafantatra an’ilay hira, fa tsy fantatro mintsy zao hoe inona ‘lay E(7) , A(5) sy ny tariny…… Lasa sarotra be ny mamaky an’ilay izy raha vao tsy ataonao mifanaraka tsara le ngadona sy ilay naoty. Ataovy « preformatted » ilay izy amin’izay voantazona foana ilay ngandona. Jereo etsy ambony ny fanaovana azy.

        Mazotoa

  3. Ao izy e – Dadah Rabel & Ina

    — atao accord gasy izy no tena mivoaka —-

    C F-Emin-C F
    Ianao ‘lay nailika, ankilabao

    Dmin G7
    Nasiana tsipika tsy azo hihoaranao

    C F-Emin-C F
    Toy irony kamboty, tsy misy mpiahy

    Dmin G7
    Mba te hiangoty nefa tsy reny tsy ray

    C C7
    AO IZY E, HANOME

    F Dmin
    ‘LAY ANJARA FITIA

    C Amin
    F’IZY ANIE NO HO MANDRE

    Dmin G
    NY ANTSON’IREO VERY DIA

    C C7
    AO IZY E, HANOME

    F Dmin
    ‘LAY ANJARA FITIA

    C Amin
    TS’IZY ANIE NO HANY MANDRE

    Dmin G C
    NY ANTSO MANGINAN’IREO IZAY NANIA

    Ianao ‘lay nibaboka fa nanao ny ratsy
    Vao mainka nadaboka sy narahina fantsy
    Toy ny resy mifona fa lavo an-tany
    Odiana tsy henoina fa darofana ihany
    AO IZY E …
    Ianao diso famindra, solafaka
    Ireo namanao indrindra no nanavakavaka
    Fa nadio ianao fahiny, nolazaina hoe tsy ratsy
    Nefa dia nomena tsiny fa nisy loto nanasy
    AO IZY E …

  4. Tsotr’izao

    C#7?? : x 4 5 3 5 x

    D/F# G C D
    Tsy hanihany na kilalao
    G C D
    No mahatonga ahy hitia anao
    G C D
    Fa fitia avy ao am-po,
    Bm C C G/B
    Lay tsy mba mety ho lo
    Am D D7 G
    Fitia tsy rendrarendra fa ho doria

    D/F# G C D
    Tsy haitraitra fa tena tia
    G C D
    Vonona mihitsy ny hiara-dia
    G C D Bm C C G/B
    Vonona hamafa ireo lasa, hanolotra ho anao
    Am D D7 G
    Fitiavana mandrakizay vaovao

    D/F# Em C#7?? D
    Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
    Bm C C G/B
    No atolotro ho anao
    Am D D/F#
    Toa ho nofy ihany izany
    Em C#7?? D
    Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
    Bm C C G/B
    Fitiavana tsy misy fetra
    Am D D/F#
    No omeko anao tsotr’izao !

    Ka raha mbola misy any ho any
    Manambara aminao toy izany
    Ho ento aty raha sahy miteny
    Hilaza ombieny ombieny
    Fa manana fitia ho anao toy ny ahy !

    Tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony
    Irony kintana irony
    No hatolotro ho anao
    Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
    Fo, fanahy, saina, toetra
    No homeko anao tsotr’izao !

    Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
    No atolotro ho anao
    Toa ho nofy ihany izany
    Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
    Fitiavana tsy misy fetra
    No omeko anao tsotr’izao !

    ‘Zay

  5. 
     Am               G   C       E
    Maninona e 'zany havako no tomany
     Am              G    C       E  
    Tonga izaho namanao mba manontany
         Dm           Am     F       C     G         E
    Lasana izy hono omaly namela alahelo mba ho namanao
       Dm       Am      F       C       G          E
    Ianao tsy irery f'izaho no tonga hitondra kilalao
    
    Maninona e raha takariko ho anao
    Iny volana iny hataonao kilalao
    Ho avy indray ny ampitso hitondra hafaliana ka hitobaka eto
    Raha sendra tsisy izany, tsisy hitomaniana izaho anilanao
    
    
    Iny volana iny tsy tsinjon'ny olona faly
    Fa natao ho anao olona mijaly
    Ny heriko manontolo no tambatro mba hitsiky ianao
    Ny volana, ny tontolo no alatsako eo an-tongotrao
    
    
    Maninona é, zany havako no tomany
    Tonga izaho namanao mba manontany
    Ny heriko manontolo no tambatro mba hitsiky ianao
    Ny volana, ny tontolo no alatsako eo an-tongotrao
    
    
  6. D'    :030230      
    D     :000232  
    Cadd9 : 032033 
    
    D          D´         Cadd9
    Aiza re no hasiako anao
    G                          D  Dsus2 D  Dsus4 D
    Hakamoana tafahoatra
                D´      Cadd9
    Efa feno anao izao
    G                            D  Dsus2 D Dsus4  D
    Ity foko efa te hitroatra
    
    
    Mihamafy isan'andro
    Ny ankaso aterakao
    Na dia alina aza ny andro
    Ianao tsy mba mandao
    
    
                 Fo iray no hiainantsika
                 Tsy hita hivalamparana
                 Revy iray no mintantana antsika
                 Tsy ahitana fianarana
    
    Kely sisa monja izao
    Dia babonao avokoa a
    Ilay toerana ao ampoko ao 
    Tena marina tokoa
    
    Raha azoko anefa
    Nandeha aho nilefa
    Tsy hahita anao
    Hanadino anao e
    
                   Indrisy anefa toa tsy ampy
                   Ny hery ao anatiko ao e
                   Handeha aho vao maika miampy
                   Ny alaheloko anao
    
    

  7. Em  D Dsus2 Am
    
    Em             D
    Nahoana kay ny olona ety 
    Am                C
    No tsy mahay taratasy
    Em              D
    Nahoana kay ny kilonga ety
    Am                C
    Tsy mahalala lakilasy
    
       Em              G                   D
       Taratasin'izy ireo dia ny tany amboleny
                        Am               Em
       Ny angadin'izy ireo no fanoratany eny
                        G                        D
       Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany
                     Am                      F   Em
       Fonenan'izy ireo tsy mba any an-danitra any
    
    Nahoana kay ny olona ety
    No noana fahavaratra
    Nahoana kay ny olona ety
    Tsy manambola fahavaratra
    
       Ny volan'izy ireo tsy mb'izany vola izany
       Ny harenan'ireo dia ny vokatry ny tany
       Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany
       Fonenan'izy ireo any ambanivohitra any
    
    Nahoana kay ny fiainana ety
    No sarotra ivelomana
    Nahoana kay ny fiainana ety
    No sarotra iainana 
    
       Ny tanin'izy ireo dia tany halan'orana
       Tananan'izy ireo, tanana halan-drivotra
       Volin'izy ireo sangisangin'ny avandra
       Kilongan'izy ireo mararirary lava
           
             Ny fiainan'izy ireo, fiainana lavitra antsika
             Ny fianan'izy ireo, fiainana any ambanivohitra
             Ny fiainan-tsika ety, fiainana andrenivohitra 
             Ny fiainan-tsika ety, fiainana manao ahoana
            
             Isika mamantatra an'izany
    
    
    

  8. Ity misy hira iray mba haiko: Ny rivotra

    Intro: G E Am G E Am
    Am G E Am
    Ny rivotra mandalo ve No mitondra tadio
    Am G E Am
    Ny rivotra mifafy ve No mitondra io orana io

    C G Dm Am
    Ny tany ve no ratsy Sa ny olona no efa lany vatsy
    C G Dm F G Am
    Ny tany ve no boboka Sa ny olona No vizaka sy drodroka.

    Am G E Am
    Dia hoy aho manontany tena Mba ho aiza ihany no hiafarany
    Am G E Am
    Gagagaga sy mihenahena Ny olona ao an-tanàna

    C G
    Voazara ho antokotokon’olona
    Dm Am
    Voazara ho vondrombondron’olona
    C G Dm F G Am
    Nozarainy ho fokofokon’olona Amin’izay angamba Tsy ho vanon-kolona

    Am G E Am
    Iza moa no tsy mahalala F’izay mitambatra dia vato
    Am G E Am
    Mampisalasala anefa reo mpanao afera Izay mihamaro tatoato

    C G
    Mitombo ny isan’izy ireo
    Dm Am
    Mitombo ny volan’izy ireo
    C G Dm F G Am
    Miroborobo ny aferan’izy ireo Tsy laitra ny setrasetran’izy ireo.

    Am G E Am
    Ny rivotra mandalo ve no mitondra tadio.

  9. Mba asivo hiran’i mahaleo moa: Tontolo iainana
    ity ny text, hira tsara be io:
    Raha tsy voakolokolo
    Dia simba ny tontolo
    Hatrany ambanivolo
    Raha tsy misalasala
    Handripaka ny ala
    Reo hendry mody adala
    Raha tsy masaka ao an-tsaina
    Fa tsy mamelon’aina
    Ny tany karakaina
    Tsy mety ho zarizary
    Ny fambolena vary
    Ho tonga ny mosary

    Mirehitra ireo hazo
    Manakatra ny lanitra
    Manomboka malazo
    Ireo vonikazo manitra
    Afo mijoalajoala
    Mandrakotra ny ala
    tsy ela vetivety
    May ny tanety
    Miha maizina izy izany
    Tsy hita ilay masoandro
    Miha maizina ny tany
    Miovaova ny toetr’andro
    Miha ringitra ny voary
    Tsy salama tsy marary
    Mananotanona sahady
    Ny ampitso mafy ady

    Fa ny masaka aho an-tsainy
    Ny vola no ilainy
    Ny ankoatr’izay tsy hainy
    Ao dia ao ny lalana
    Mifefy ny tanàna
    Ka tsy azonao ialana

    Ref:Ahondrany avokoa
    Sokatra sy vatosa
    Izahy misy tombo-tsoa
    Dia lazainy fa kirizy
    Nefa ny azy ny valizy
    Efa tsy ho omby ireo devisy

    Izy hono tsy voatery
    Mikolokolo
    Fa tsy aferan’izy irery
    Raha simba ny tontolo
    Fa vola no ilainy
    Vola no saininy
    vola vola ihany
    No mampihodina ny tany
    Adidintsika jiaby
    Ny mikarakara
    Iza ary no hibaby
    An’i Madagasikara
    Ny taranaka ao afara ve
    Dia andova tany ngazana
    Mba mihevera tsara re
    Sao manjavona tsy tazana

Hametraka hafatra...

Choisissez une méthode de connexion pour poster votre commentaire:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s