Fanotaniana

Do vs C ?

Eny amin’ny fintendry ambony tamboho dia matetika mampiasa ny

Do Re Mi Fa Sol La Si

ry zalaha. Mba itovizantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa anefa dia ampiasaintsika, izay mitovy ihany, ny fandroatana

C D E F G A B

Satria isika mihaina amin’ny fitendrena faran’izay tsotra dia tsy manoro ny fomba fitendrana (Arpegio) azy isika fa ny naoty (accord) ihany no omena.

Inona moa ny dikany x32010?

Ny fomba fanoratra corde dia afaka atao amin’ny fomba maromaro. Nefa ny fomba faran’izay tsotra indrindra no ampiasaintsika. Ny isa dia manambara ny « case » tokony ho tendrena ary ny laharana dia manambara ny « corde » tendrena. Ny « x » kosa dia manambara fa tsy tendrena ilay corde. Ohatra

000000

dia midika hoe tendrena daholo ny corde enina fa tsy misy tsindrina ny case. Antsointsika hoe « free » ilay corde raha 0 ilay izy. Ny

100000

dia midika hoe tendrana daholo ny corde enina fa ny 1er corde (Mi be) dia tsindrina eo amin’ny premier case. Ny

x32010

dia midika hoe tsy tendrana ny 1er corde, ny 2eme corde tendrena eo amin’ny 3eme case, ny 3eme corde tendrena eo amin’ny 2eme case, ny 4eme corde free, ny 5eme corde kosa tendrena eo amin’ny 1er case ary ny 6eme corde free. Ireo naoty mahazatra antsika izany dia afaka soratana amin’ny fomba tsotsotra

C (Do) : x32010
D (Re) : xx0232
E (Mi) : 022000
F (Fa) : 133211
G (Sol): 320001
A (La) : x02220
B (Si) : x24442

Mpikambana Gasytablature?

Ny gasytablature dia tsy misy mpikambana ao anatiny. Sehetra ahafahana mangataka hira misy tondrom-peo fotsiny izy. Na dia izany aza anefa misy tomponandraikitra ihany manantontosa sy mikarakara ny blaogy.

Tsy misy mamaly ny hira nangatahana?

Matoa izay ny hira nangatahana tsy misy valiny dia na sahirana aho na sarotra loatra ilay izy ka mila fotoana lavalava kokoa :).