Valim-bavaka


Misy kapo eo amin'ny case fahatelo

D/F#    : 2xx232
Em      : 022000
B7      : x21202
G/B     : x2003x
Am7     : x02010

         G             D/F#   Em
Mba ambarao mazava aminay ry Ray
          Am7       G      D/F#      
fa mbola misy zavatra tsy takatray
          G         B7      Em
ny tsy hamalianao ireo vavakay
           C         D
hatramin'izao ka hatramin'izay
          G        D/F#      Em
fa mbola feno fahotana ve zahay?
           Am7       G          D/F#
ka mbola tsy voavelanao ny helokay
        G            B7             Em
na de miantso anao isan'andro aza izahay
         C                  D
dia ny omaly tsy miova ny fiainanay

              Em               D         C
Tsy ho kivy anie aho miantso anao Ray malala o!
          Am7                  D   
hiantso anao foana ity zanak'adala
    G        Am7         G/B C
efa ela anie aho no mba te hiala
           G                D/F#
amin'ny fiainana toa kidaladala
           Em             D          C
raha sitrakao  ry Tompo omeo ahy ny hery
         Am7                      D
hiatrehako ny ampitso ho avy misitery
        G           Am7 G/B   G   
tariho lalana aho mba tsy ho very
    G               D/F#
fa malemy sy ontsa feno fery

Mba iza moa ry Ray no hitarainako
afa-tsy ianao izay nanao ny fiainako
raha mitady hamolaka ahy ny zava-manjo
Ianao ihany no andry iankinako
hialako tsiny re ry Tompo Aminao
na dia efa kivy tsy te hiaino ahy aza lanao
indro aho ry Tompo raiso fa Adidinao
efa trotraka miangavy, mitalaho

Nangoniko ny heriko tato anaty
hanazava ny finoako mba tsy ho faty
efa hatrin'ny ela anie aho no efa nino
fa ny Raiko ambony tsy manadino
ifonako ny ditra sy ny adalana
tsy hataoko intsony ny handika lalàna
indro ny tenako atolotro Anao
inty aho ry Tompo hirakao
hirakao